Inona no Planin'ny Famonjena?

INONA NO PLANIN'NY FAMONJENA?

Manana Planina misy dingana fito Jehovah Andriamanitra, hampahafantarany ny planiny sy ny tanjony ho an’ny zanak'olombelona (Levitikosy 23).

1. NY PASKA

NY PASKA no maneho fa maty i Kristy ho famonjena antsika. Ny batisan’ny rano no maneho fa miara-maty, miara-milevina ary miara-mitsangana amin'i Kristy ho amin'ny fiainana mandrakizay isika.
“Izay mino sy atao batisa no hovonjena; izay tsy mety mino kosa no hohelohina.“
(Paska: Lev 23:5; Mat 26:2, 17-19; Mar 14:12-16; Mar 16:16; Lio 2:41-42; 22:1, 7-20; Jao 2:13, 23; 6:4; 13:1-30; 1Kor 11:23-29)

2. NY MOFO TSY MISY MASIRASIRA

NY MOFO TSY MISY MASIRASIRA no maneho ny fivoahana amin’ny ota hahatongavana amin’ny fahamasinana. Ny tanjona dia ny ho velona araka ny Fanahy Masin’ Andriamanitra ary manao ny sitrapon'Andriamanitra.
Raiso avokoa ireo fiadiana atolotr'Andriamanitra mba hahafahatra ary haharesy ny ota.
(Mofo Tsy Misy Masirasira: Lev 23:6-8; Mat 26:17, 17-19; Mar 14:12-16; Lio 2:41-42; 22:1-7; Asa 2:1-21; 20:16; 1Kor 5:6-8)

3. NY PENTEKOSTA

NY PENTEKOSTA no andraisana ny Herin'ny Fanahy Masin’Andriamanitra, hery avy amin'ny Avo.
Ny Fanahy Masina no hahazoantsika mihazona ny finoana an'i Jesosy. Izy koa no hananantsika hery hitandrina ny Tenin'Andriamanitra sy ny didy ary lalàna, ary handresena ny fahotana.
(Pentekosta: Lev 23:15-22; Asa 2:1-21; 20:16; 1Kor 16:8)

4. NY TROMPETRA

NY TROMPETRA no maneho ny fiverenan’i Kristy hamonjy ny olombelona tsy ho fongotra noho ny ataony ihany, ary handray ireo olo-masina, voaloham-bokatry ny Fanahy (Fitsanganana voalohany) nomena fiainana mandrakizay, ary hamerina ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.
(Trompetra: Lev 23:23-25; Mat 24:30-31; 1Tes 4:16-17; Apo 11:15)

5. NY ANDRO FANAVOTANA

NY ANDRO FANAVOTANA no manambara izay hitranga amin’i Satana sy ny devoly namany aorian’ny fiavian’i Kristy.
(Andro Fanavotana: Lev 23:26-30; Heb 10; Asa 27:9)

6. NY TABERNAKELY

NY TABERNAKELY na fitoerana an-trano rantsan-kazo no manambara ny Fanjakana arivo taona (Milenioma), fotoam-piadanana manerana izao tontolo izao, ary andro famelombelomana andrasana, izay tanjon’ny Kristiana marina.
(Tabernakely: Lev 23:33-43; Jao 7:1-2, 8-14; Asa 3:19-23; 18;21)

7. NY FARA-FIVORIANA 

NY ANDRO LEHIBE FARANY no manambara ny fitsanganana faharoa, fotoana zato taona hahazoana mianatra sy mahafantatra tanteraka an’Andriamanitra sy mankatò ny lalàny.
(Fara-fivoriana: Lev 23:36; Jao 7:37-38)

INONA NO HITRANGA AORIAN’NY MILENIOMA?

Fitsanganana faharoa, arahin’ny fitsarana lehibe farany, fahafatesana faharoa ho an’ireo tsy nibebaka mihitsy ary tsy hita ao anatin’ ny bokin’ny fiainana ny anarany.
(Apo 20:7; Apo 20:5; Isa 65:20)
Aorian’ny fitsarana farany dia hisy lanitra vaovao sy tany vaovao.


Fanazavana fanampiny : Tsindrio ity