Fiangonan’Andriamanitra Miray

Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray - United Church of God - dia Fikambanana Iraisam-pirenena niforona tamin'ny taona  1995. Ny iraka tanterahan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia ny hitory amin'izao tontolo izao ny Filazantsaran'i Jesosy Kristy --ny vaovao mahafaly ny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy-- ary hanomana olona ho amin'izany Fanjakana izany. Ity hafatra ity dia manome fanantenana lehibe ho an'ny zanak'olombelona rehetra, mampahafantatra azy ny tanjom-pisiany, izany hoe, ny antony nahaterahantsika sy ny nahatongavantsika eto an-tany, ary ny momba ny tontolo mahafinaritra rahampitso.

Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eto Madagasikara dia mpikambana ao amin'ny vondrom-paritra Afrika Atsinanana amin'ny United Church of God na Église de Dieu Unie izay fikambanana iraisam-pirenena. 

Manana foto-pinoana ijoroany ny fiangonana, ary voarakitra an-tsoratra eto ny andinindininy milaza izany. Ny fanazavana fanampiny mirakitra ny iraka tanterahan'ny Fiangonana dia azonao fantarina ato.

Raha maniry hanaraka ny fianarana amin'ny fiteny Frantsay dia tsidiho ny www.pourlavenir.org na ny www.edu-france.fr

Inona no Planin'ny Famonjena?

INONA NO PLANIN'NY FAMONJENA?

Manana Planina misy dingana fito Jehovah Andriamanitra, hampahafantarany ny planiny sy ny tanjony ho an’ny zanak'olombelona (Levitikosy 23).

1. NY PASKA

NY PASKA no maneho fa maty i Kristy ho famonjena antsika. Ny batisan’ny rano no maneho fa miara-maty, miara-milevina ary miara-mitsangana amin'i Kristy ho amin'ny fiainana mandrakizay isika.
“Izay mino sy atao batisa no hovonjena; izay tsy mety mino kosa no hohelohina.“
(Paska: Lev 23:5; Mat 26:2, 17-19; Mar 14:12-16; Mar 16:16; Lio 2:41-42; 22:1, 7-20; Jao 2:13, 23; 6:4; 13:1-30; 1Kor 11:23-29)

2. NY MOFO TSY MISY MASIRASIRA

NY MOFO TSY MISY MASIRASIRA no maneho ny fivoahana amin’ny ota hahatongavana amin’ny fahamasinana. Ny tanjona dia ny ho velona araka ny Fanahy Masin’ Andriamanitra ary manao ny sitrapon'Andriamanitra.
Raiso avokoa ireo fiadiana atolotr'Andriamanitra mba hahafahatra ary haharesy ny ota.
(Mofo Tsy Misy Masirasira: Lev 23:6-8; Mat 26:17, 17-19; Mar 14:12-16; Lio 2:41-42; 22:1-7; Asa 2:1-21; 20:16; 1Kor 5:6-8)

3. NY PENTEKOSTA

NY PENTEKOSTA no andraisana ny Herin'ny Fanahy Masin’Andriamanitra, hery avy amin'ny Avo.
Ny Fanahy Masina no hahazoantsika mihazona ny finoana an'i Jesosy. Izy koa no hananantsika hery hitandrina ny Tenin'Andriamanitra sy ny didy ary lalàna, ary handresena ny fahotana.
(Pentekosta: Lev 23:15-22; Asa 2:1-21; 20:16; 1Kor 16:8)

4. NY TROMPETRA

NY TROMPETRA no maneho ny fiverenan’i Kristy hamonjy ny olombelona tsy ho fongotra noho ny ataony ihany, ary handray ireo olo-masina, voaloham-bokatry ny Fanahy (Fitsanganana voalohany) nomena fiainana mandrakizay, ary hamerina ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.
(Trompetra: Lev 23:23-25; Mat 24:30-31; 1Tes 4:16-17; Apo 11:15)

5. NY ANDRO FANAVOTANA

NY ANDRO FANAVOTANA no manambara izay hitranga amin’i Satana sy ny devoly namany aorian’ny fiavian’i Kristy.
(Andro Fanavotana: Lev 23:26-30; Heb 10; Asa 27:9)

6. NY TABERNAKELY

NY TABERNAKELY na fitoerana an-trano rantsan-kazo no manambara ny Fanjakana arivo taona (Milenioma), fotoam-piadanana manerana izao tontolo izao, ary andro famelombelomana andrasana, izay tanjon’ny Kristiana marina.
(Tabernakely: Lev 23:33-43; Jao 7:1-2, 8-14; Asa 3:19-23; 18;21)

7. NY FARA-FIVORIANA 

NY ANDRO LEHIBE FARANY no manambara ny fitsanganana faharoa, fotoana zato taona hahazoana mianatra sy mahafantatra tanteraka an’Andriamanitra sy mankatò ny lalàny.
(Fara-fivoriana: Lev 23:36; Jao 7:37-38)

INONA NO HITRANGA AORIAN’NY MILENIOMA?

Fitsanganana faharoa, arahin’ny fitsarana lehibe farany, fahafatesana faharoa ho an’ireo tsy nibebaka mihitsy ary tsy hita ao anatin’ ny bokin’ny fiainana ny anarany.
(Apo 20:7; Apo 20:5; Isa 65:20)
Aorian’ny fitsarana farany dia hisy lanitra vaovao sy tany vaovao.


Fanazavana fanampiny : Tsindrio ity

Manorina Fiangonana

Facebook Page
Misy fotoam-pivavahana notendren'i Jehovah hantsoina amin'ny fotoany avy hotandremana mandrakizay , mba hitomboan'ireo izay antsoiny amin'ny toetr' Andriamanitra mandra-pihavian'i Kristy hanangana azy amin'ny andro farany.

Ny Sabatan'ny andro fahafito sy ireo fety fito isan-taona dia nodidian'i Jehovah hiantsoana fivoriana masina, hotandremana mandrakizay: Paska, Mofo tsy misy masirasira, Pentekosta, Fitsofana Trompetra, Andro Fanavotana, Tabernakely, Fara-fivoriana. Ireo no manambara ny Planin'ny Famonjena, koa tsy maintsy fantatry ny olona sy hiainany ny hevi-panahiny.

Miaraha mivavaka aminay


Ny Fiangonana

Noforonina ao anatin'ny planin'Andriamanitra ny Fiangonana, mba hanomana mpanjaka sy mpisorona (= mpampianatra), hiara-mitantana amin'i Kristy ny fanjakan'Andriamanitra eto an-tany mandritry ny 1000 taona, rehefa miverina i Jesosy Kristy.
    Fitaovana hanampy an'Andriamanitra hitondra famonjena ho an'ny olombelona rehetra ny fiangonana, mandritry ny fanjakana arivo taona sy amin'ny andro lehibe farany.

    Mazotoa amin'ny asa fanompoana


    Manomana Vahoaka

    Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka amin'ny Fanahy sy ny Fahamarinana.

    Ny Fianakavian' Andriamanitra Mpamorona (Elohim), miteraka amin'ny olombelona, izay ateraka indray ho fanahy, hamerina indray ny fanjakan' Andriamanitra eto an-tany.

    Jesosy Kristy dia mila mpiara-miasa sy mpanampy, eo ambany fahefany: zanak' Andriamanitra araka ny fanahy ireo, tsara hofana sy nalahatra, ary efa nandà ny làlan'i Satana, sady voaporofo ho mpankatoa ny lalàn'Andriamanitra marina (Mandeha araka ny fahamarinana).

    Manangona ny Ankohonany Andriamanitra

    Mitory ny Filazantsara

    Rehefa voasambotra i Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran' Andriamanitra, ka nanao hoe: "Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara. Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan' Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy."
    Ary Izy naniraka handeha hitory ny fanjakan' Andriamanitra sy hanasitrana ny marary sy handroaka ny devoly; ka hoy Izy:
    "Izay mino sy atao batisa no ho vonjena, fa izay tsy mino kosa no ho helohina."
    Manana ny foto-pinoana ijoroany ny Fiangonan' Andriamanitra Miray (FIAMI).

    Torio ny filazantsara

    FIAMI

    Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray - United Church of God - dia Fikambanana Iraisam-pirenena niforona tamin'ny taona  1995. Ny iraka tanterahan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia ny hitory amin'izao tontolo izao ny Filazantsaran'i Jesosy Kristy --ny vaovao mahafaly ny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy-- ary hanomana olona ho amin'izany Fanjakana izany. Ity hafatra ity dia manome fanantenana lehibe ho an'ny zanak'olombelona rehetra, mampahafantatra azy ny tanjom-pisiany, izany hoe, ny antony nahaterahantsika sy ny nahatongavantsika eto an-tany, ary ny momba ny tontolo mahafinaritra rahampitso.

    Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eto Madagasikara dia mpikambana ao amin'ny United Church of God na Église de Dieu Unie. Ny Fiangonana dia mino sy mankatò ary mitandrina ny Tenin'Andriamanitra, ary mandeha araka ny planina nataon'i Jehovah Andriamanitra ho an'ny olony. Manana foto-pinoana ijoroany ny fiangonana, ary voarakitra an-tsoratra eto ny andinindininy milaza izany. Ny fanazavana fanampiny mirakitra ny iraka tanterahan'ny Fiangonana dia azonao fantarina ato.

    Raha maniry hanaraka ny fianarana amin'ny fiteny Frantsay dia tsidiho ny www.pourlavenir.org na ny www.edu-france.fr